Skip to content

Momba ny Coronavirus

SEED Madagascar dia handray andraikitra foana amin’ny fiarovana ny mponin’ny Fort-Dauphin, sy ireo olona rehetra manerana an’i Madagasikara izay iarahanay miasa sy miasa aminay.

Coronavirus eto Madagascar

Ny Zoma faha 20 ny volana Martsa teo dia nilaza amin’ny fomba ofisialy ny Filoham-pirenena Malagasy fa eto Madagasikara ny Coronavirus. Nanomboka tamin’izany fotoana izany dia miseho amin’ny fahitalavitra nationaly ny Filoha ary aharezana vaovao mikasika izany rehetra izany ny radio.

Tena zava-dehibe ny fiarahantsika rehetra miasa mba handreseana ity tsimok’aretina ity!

Ny zavatra ataon’ny SEED Madagascar

Manolon-tena izahay ny hanohana ny vahoaka eto Madagasikara mandritra ity valan’aretina Coronavirus ity. Miara-miasa amin’ireo mpiaramiombon’antoka sy ireo minisitera eto an-toerana, izahay dia:

  • Mizara ireo peta-drindrina sy fanampiana ofisialy avy amin’ny Minisiteran’ny Fahasalam-Bahoaka amin’ny teny Malagasy
  • Mandika amin’ny teny Malagasy sy manaparitaka ireo toro-hevitra sy fanampiana avy amin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Fahasalamana (OMS)
  • Mampianatra ny mpiasa ireo soritr’aretina, ny fomba fiarovana sy fanentanana.
  • Manome fitaovana ireo mpiasa mba hampiasaina any an-trano hampianarana ny fianakaviana sy ny zaza
  • Miara-miasa miaraka amin’ireo ONG sy ireo mpiaramiombon’antoka hafa mba hampitomboana ny fahavononan’ireo andrim-panjakana hafa.

Raha mila ireo vaovao farany avy amin’ny ekipanay eto Madagasikara sy ny fomba fiatrefanay io valan’aretina io, araho ny pejy Facebookinay.

Ahoana ny fomba ahafako miaro ny tenako?

 2 Metatra

Mijanona Lavitra

Raha marary anao, dia mijanona lavitra ny olo ary araho ny toro-hevitrin'ny dokotera.

Hajao ny elenelana 2 metatra amin'ny olona!

Hampihena ny fifampikasohana! 

 Fanasana Tanana

Fanasana Tanana

Sasao ny tanana amin'ny rano sy savony ao manditra ny 20 segondra. Sasao rehefa ao amin'ny toalety, alohan'ny hiditra trano, alohan'ny hisakafo, aorian'ny fitsapana vola ary koa rehefa mahatsapa ianao fa nitsapa zavatra maloto.

 Manarona ny tavanao

Manarona ny tavanao

Raha mihevina na mikohaka ianao, saromy amin'ny kihonao na mosoara ny oronao sy ny vavanao.

Ataovy fahazarana ny tsy mandrora na mandrehoka amin'ny tany.

 Fifandraisan-Tanana

Fifandraisan-Tanana

Ataovy fahazarana ny tsy mifandray tanana rehefa mifampiarahaba.

Hiteny "Salama" na "Manao ahoana" fotsiny ihany!

Mamantatra bebe kokoa

Amin’izao andro sarotra izao, tena zava-dehibe mihitsy ny manaparitaka vaovao marina, sy voa-porofo.
Ampiasao ireo zavatra ambany eo ireo mba hianarana ny fomba fanasana tanana tena izy,
ny tsy fiharoana amin’ny olona ary ireo zavatra marina sy tsy azo lazaina marina momba ny Coronavirus!
Dia zarao amin’ny namanao sy ny fianakavianao izany!